1 Timothy 2

1Voalohany indindra noho izany, dia mampirisika aho fa ireo fangatahana, vavaka, fifonana, ary fisaorana dia natao ho an’ny olona rehetra, 2ho an’ireo mpanjaka sy ireo rehetra eo amin’ny fahefana, mba ahafahantsika miaina am-piadanana sy miaina milamina amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra sy fahamendrehana rehetra. 3Izany dia tsara sy azo ekena eo anatrehan’Andriamanitra mpamonjintsika. 4Iriany mba hovonjena daholo ny olona rehetra ary ho tonga amin’ny fahalalana ny marina.

5Fa iray ihany no Andriamanitra, ary iray ihany no mpanelanelana an’Andriamanitra sy ny olona, dia ilay lehilahy Kristy Jesosy. 6Izy nanome ny tenany ho vidim-panavotana ho an’ny rehetra, tahaka ny fijoroana vavolombelona amin’ny fotoana tokony ho izy. 7Fa amin’izany tanjona izany, izaho, ny tenako, dia natao ho mpitory sy ho apostoly. Miteny ny marina aho. Tsy mandainga aho. Mpampianatra an’ireo Jentilisa amin’ny finoana sy fahamarinana aho.

8Noho izany, tiako ny lehilahy na aiza na aiza mba hivavaka sy hanandra-tanana masina tsy am-pahatezerana na amin’ny fifandirana. 9Toa izany koa, tiako ny vehivavy mba hiakanjo akanjo mendrika ny tenany, amin’ny fahamaotinana sy fahafehezan-tena. Tsy tokony hanao volo mirandrana, na volamena, na voahangy, na akanjo lafo vidy. 10Tiako izy ireo hiakanjo amin’izay mety ho an’ireo vehivavy izay mampiseho toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’ny alalan’ireo asa tsara.

11Ny vehivavy dia tokony hianatra am-pahanginana ary hanaiky tanteraka. 12Tsy avelako hampianatra ny vehivavy na hampihatra fahefana amin’ny lehilahy, fa hijanona ao anaty fahanginana.

13Fa Adama no noforonina voalohany, avy eo i Eva. 14Adama dia tsy voafitaka, fa ny vehivavy no voafitaka tanteraka tamin’ny fandikan-dalàna. Na izany aza, hovonjena izy amin’ny alalan’ny fiterahan-jaza, raha mitohy amin’ny finoana sy fitiavana ary fahamasinana miaraka amin’ny fahononan-tena.

15

Copyright information for PltULB